1 Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia* sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra , efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima]

2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.

3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.

5 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

6 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;

8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.

9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?

10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay*, Andriamanitra . Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]

11 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
